• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...
Tsy mbola lefy laza amin’ny maha sehatra goavana ihaonan’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpanjifa, ireo teknisiana sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny toekarena eny ambanivohitra na ny FIER MADA. Mbola mahasarika olona maro koa na eo aza ny Tsenabe mifaninana aminy taty aoriana...
Araka ny Testamenta Taloha dia hita taratra ao ny tantaram-pitiavana, ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona ; porofom-pitiavan'Andriamanitra ny fampanantenany ny fahatongavan'ny Zanany mba hamonjy ny olombelona ao anatin'ny fahotana. Masina Maria virijiny no lalana nahatanteraka ny teny tonga ho nofo. Nisy foana ny fivadihan'ny vahoaka amin'Andriamanitra anefa misy vondron'olona iray hatrany mifikitra amin'Andriamanitra ary mampitohy ny lalam-pamonjena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Nisehoana horohorontany teto Antananarivo sy ny manodidina androany tolakandro. Heverina ho tany amin'ny Distrikan'Anjozorobe no nisy ny foibeny ary nahatratra 4,5 amin'ny mari-drefy Richter ny heriny... • Tsy nisy olona hafa intsony hatramin'izao, nampahafantarina fa hatao fanadihadiana momba ny raharaha Boeing 777, tao aorian'ny nisamborana ireo roalahy ahitana teratany Indiana... • Misy ary ampy ny tahirim-bakisiny BCG eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nitondra fanazavana momba ny famatsiana io karazam-bakisiny io eto amintsika izy androany...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco