♦ Manentana ny rehetra handray anjara amin'izao sinaody faha-16 izao, ny Papa François... ♦ Volana hanomezana sehatra ny ankizy ny volana desambra, nanome hafatra manokana ho azy ireo ny avy eo anivon'ny VPKA sy ny OPM... ♦ Nandritra ny Audience générale tamin'ny alarobia teo no nanentanan'ny Papa François, ny mpino rehetra, mba hiverina hizaha miaraka amin'i Masindahy Josefa, ny lanjan'ny fahanginana...
Manao ny fivoriambe fanao isaky ny roa taona ny "Groupement Para Professionnels Vétérinaire de Madagascar" na ny GPPVM, ivondronan'ireo teknisiana niofana manampy an'ireo "vétérinaire" amin'ny fitsaboana sy ny fikarakarana ny biby eny ambanivohitra...
Maro ny olana ara-pananahana ankehitriny ka ilaina ny herivelon'ny Fiangonana hiaraka handray andraikitra amin'izay tandrify azy hanabe ny olona amin'ny fanajana ny soatoavina kristianina amin'ny lafiny ara-pananahana.
17 desambra — Ny Lazare resahana amin'ity andro anio ity dia ilay anadahin'i Marthe sy i Marie tao Béthanie, naman'i Jesoa ary natsangany ho velona. Niharitra ny fanenjehana noho ny finoana an'i Kristy izy io. Voalaza fa folo taona tao aorian'ny niakaran'i Jesoa dia natsipin'ny Jody tao anaty lakana tsy misy fivoy izy telo miandahy ireo, niaraka tamin'ny kristianina hafa.
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco