“Faharetana ombam-panetren-tena, fahazotoana mikarakara ny tanora, fiainana ny voady telo maha-relijiozy” : Ireo no votoatin’ny hafatr’i Mgr Rosario Vella, eveka salezianina, isan’ireo mpamaky lay ny salezianina teto Madagasikara, tamin’ny fanokafana ny fankalazàna ny faha-40 taona ny nahatongavan’ny Salezianin’i Don Bosco teto Madagasikara.
Zavatra maro no tokony harindra ao an-tokandrano. Ny fifampitokisana dia andry iray manamafy ny fifandraisana ao an-tokantrano, izay tokony hisy eo amin'ny mpivady eo amin'ny ankizy, eo amin'ny mpianankavy. Misy fiatraikany eo amin'ny fanabeazana ny ankizy sy ny fiainan'ny fianankaviana ny fifampitokisana. Mila omanina ny firosoana ao amin'ny sehatry ny fanambadiana sy ny tokandrano : fifampizahan-toetra...
♦ Misy mikasa hanodikodina ny raharaham-pitsarana momba ny an'i Nasandratra Valimbavaka izay maty nisy namono tetsy amin'ny kianja basket Bani Ivato. Lavin'ny fianankavian'ny maty ny fikasàna hanao raharaham-pihavanana... ♦ Nitombo indray ireo matin'ny coronavirus, nanamafy etsy ankilany ny tompon'andraikitry ny ministeran'ny fahasalamambahoaka fa mbola tsy tonga eto Madagasikara ny variant Delta... ♦ Tsy mifanentana amin'ny teti-bola azon'ny faritra ny zava-bita any Amoron'i Mania, hoy ny solombavambahoaka voafidy, avy ao...
Ny fanahy dia ilay fahaiza-miaina sy toetra tsara ananana. Efatra ireo hatsaram-panahy fototra dia ny fahamalinana, ny fahamarinana, ny faherezana ary ny fahalalana onona. Manana ny maha izy azy ny olona rehefa tomady sy mahira-tsaina, mahery fo sy tsara fanahy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomantsoa Jean Louis.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco