Samy mandray anjara amin'ny maha-mpisorona, mpaminany, mpanjaka an'i Kristy ny vita Batemy rehetra. Samy manana ny andraikiny anefa izy ireo : ny mpiandry ondry, izay mpampianatra sy mpanamasina, ary ny vahoaka, mandray ny fampianarana sy mampihatra izany amin'ny fiainana andavanandro. Mila fanetren-tena izany. Tohin'ny fandaharana nataon'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Diosezin'Antananarivo, momba ny endriky ny fiaraha-dia.
Ny marina feno fatra momba ny olombelona no ahafahana mihoatra an'ilay fomba fijery ny rariny ho "fifanarahana" ihany, izay fomba fijery voafetra ; ary mbola ahafahana manokatra ny sehatry ny firaisan-kina sy ny fitiavana hidiran'ny fahamarinana. Tsy ampy raha rariny fotsiny, mety ho tonga hatramin'ny hoe hitsipaka ny tenany aza izy, raha mikiry tsy misokatra mandray ny fitiavana izay manan-kery. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Andrasana eny amin'ny Lapan'ny Fanatanjahan-tena sy ny Kolontsaina Mahamasina ny nofo mangatsiakan'i Rak Roots, nanomboka ny hariva teo... ♦ Tafatsangana androany ny vondrona pôlitika VPHM na Vondrona Pôlitika Hafa Miray. Nandiso fanantenana ny vahoaka hatrany ny olona nametrahany fitokisana hitondra ny firenena hatramin'izay, hoy ny fanambaran'izy ireo... ♦ Nilefitra, ka nampidina ho 600 Ariary ny saran-dalana ny Taxibe ao an-drenivohitra sy ny FMA sy ireo mpitatitra sasan-tsasany ao anatin'ny UCTU...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco