Ny sehatra mampivondrona sy mampifandray dia ny Fiangonana, mahay mifandefitra, mahay mifankatia, mahay mifanaja. Ny fetim-pirenena dia toa ny "andro fandroana", fotoana fifamelan-keloka, fotoanan'ny fampihavanana, fotoana famadihana pejy indrindra raha nisy zava-dratsy niainana. Ny tsy fananana fotoana hifampiresahana amin'ny manodidina dia mahatonga fiolonolonana ; etsy ankilany ny "fahaiza-mihaino" dia endriky ny fanehoana fitiavana, fanomezan-kasina sy lanja ny manodidina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
19 jona — I Masindahy Romuald dia teraka ny taona manonidinana ny 951, avy amin’ny fianakaviana Onesti, ducs de Ravenne. Sergio no anaran-drainy, nanabe azy tao anatin’ny fitadiavana fafinaretana izy io. Indray andro raha niady taminy ny rainy sy ny olona iray tao amin’ny fianakaviana dia i Romuald no nasain’ny rainy ho vavolombelona hanatrika ny adin’izy ireo izay niafara tamin’ny fifamonoana.
Ny Ray aman-dreny mandray andraikitra dia maharo ny zon'ny ankizy. Ny zo dia filàna ara-boajanahary, ny sokajin'olona tsirairay dia manana izany ary indrindra ny ankizy, mba afahany miaina malalaka sy hampivelatra azy. Mifamatotra amin'ny maha-olombelona ny zo. Misy zo fototra 10 iraisana maneran-tany : Zo hanana ankohonana, zo hanana anarana, Zo hitafy, zo hilalao, zo hianatra, zo hotiavina... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Miisa 17 ireo olona maty vokatry ny fihinana sakafo nandritra ny fety ny sabotsy teo. Tafakatra 14 ny isan'ireo maty teny amin'ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona androany maraina... • Nizotra am-pilaminana ny fanadinana CEPE manerana ny nosy, notanterahana androany. Nitsidika ny foibem-panadidina teny amin'ny CEG Avaradrova androany maraina, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle... • Endriky ny tsy fisian'ny demokrasia ireny teny nataon'ny Praiminisitra teny amin'ny Lapan'ny Antenimeran-doholona omaly ireny, hoy ny filohan'ny Hery Politika Mitambatra. Endrika fandrahonana ny mpanohitra ihany koa, hoy ny Profesora Ralison Roger...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco