Firarian-tsoa sy hafatra avy amin'i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, noho ny Taona Vaovao 2024.
Fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany. Ny vakiteny voaloha sy ny faharoa amin'ity alahady ity dia mitantara ny fiainam-pinoana nananan'i Abrahama sy Sarah vadiny ary ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'izy ireo, mpivady efa samy antitra anefa dia nino ny Tenin'ny Tompo ka dia lasa fianakaviambe. Raha ny fiainam-pianakavina no tomombana tsara dia handroso ny fiaraha-monina. Ny Evanjely dia maneho ny fanarahan'i Md Joseph sy Masina Maria ny lalàna momba ny finoana sy ny lalam-panjakàna, ary io no endriky ny Fianakaviana Masina...
♦ Nitondra teny firariantsoa hoan’ny Noely sy ny taona vaovao 2024, i Mompera Innocent Bizimana, lehiben’ny fikambanana Salezianina Don Bosco eto Madagasikara sy Nosy Maorisy... ♦ Ny saina voatr’olombelona (Intelligence artificielle) sy ny fiadanana, io no votoatin’ny hafatry ny Papa François amin’ny fankalazana ny andro faha-57 maneran-tany hoan’ny fiadanana... ♦ Tokony hiambina sy hiaro ny fo amam-panahy tsy hirona makany amin’ny faharatsiana isika, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience Générale, ny alarobia lasa teo... ♦ Mbola maro ny fandripahana ireo tsy manan-tsiny misy eto amin’izao tontolo izao, hoy ny Papa François...
Mahaiza mametraka safidy sy manaja ny safidin'ny hafa mba hahatsara ny fiaraha-monina. Ny safidy izay nomen'Andriamanitra ny olombelona eo amin'ny fifandraisan'ny olon-droa na maro dia tokony azahoana vokatra tsara sy mahafa-po eo amin'ny andaniny sy ny ankilany na eo amin'ny mpifankatia na mpivady na mpianaka na mpihavana na mpiara-miombon'antoka hatreny amin'ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco