♦ Manana telo andro handinihana ny antontan-taratasy momba ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ny OVEC tsirairay avy manerana ny nosy... ♦ Nisafidy ny tsy ho kandidà amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny Depioten'Isandra, Voahanginirina Marie Laurette... ♦ Niverina an-tsekoly nanomboka androany ny mpianatra amin'ny sekoly tsy miankina, hiatrika ny telovolana farany amin'ny taom-pianarana...
♦ Nangatahana omaly araka ny fomban'ny Fiangonana, tao amin'ny Diôsezin'i Toliara, i Mgr Razafinirina Jean Désiré, Eveka vaovao ho an'ny Diôsezin'i Morombe... ♦ Tanterahana ao anatin'ny iray volana ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ny “Chapitre Général” ho an'ny Fikambanana Missionnaires de Notre-Dame de La Salette... ♦ Nifarana omaly alahady ny Filankevitra Diôsezanina 2024 an'ny Vaomiera FIFAKRI, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...
Alahady faharoan'ny Paka sady alahadin'ny famindram-pon'Andriamanitra : mahery ny finoana omban’ny fanantenana sy fitiavana ; nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino. Isika Kristiana dia mitovy amin'ny Thomas, indraindray isika dia tsy mbola matotra amin'ny finoana, sarotra ho antsika ny mino tanteraka ny tenin'Andriamanitra. Ny toetra nananan'i Thomas amin'ny finiavana handalina ny marina momba ny finoana no tokony ho amin'ny kristiana ka mba hazoto handalina ny finoana amin'ny alalan'ny katesisy... Ilana ezaka maro ny maha olom-pinoana...
♦ Notanterahana ny 2 sy ny 3 aprily 2024, teny amin'ny Episcopat Ambatoroka, ny asa famondronana ny hevitra avy amin'ny Diôsezy, famaliana ireo fanontaniana nivoitra tamin'ny Sinaodin'ny Eveka, andiany voalohany, natao tany Rôma ny volana ôktôbra 2023... ♦ Manatanteraka ny “Chapitre Provincial”, andiany faha-11, ety amin'ny Miason Don Bosco Ivato, nanomboka ny alarobia 3 aprily 2024, ny fikambanan-drelijiozy Salezianin'i Don Bosco...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco