♦ Nahazo Eveka vaovao ny Diôsezin'i Maintirano. Notendren'ny Papa François ho Eveka any an-toerana i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety... ♦ Niroso tamin'ny fitokonana androany, ny ampahany tamin'ireo mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Nisy naratra vokatr'izany... ♦ Mahatsikaritra fihoaram-pefy samihafa ny KMF/Cnoe amin'izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Miandrandra ny HCC handray ireo fepetra efa nambarany ity firaisamonim-pirenena ity...
Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny. Teraka ny 23 novambra 1974 tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.
♦ Tany amin'ny 640 km avaratra andrefan'Antsiranana no nisy ny foiben'ilay tangoron-drahona ao avaratry ny Lakandranon'i Mozambika, androany tamin'ny 12 ora. Mety hitombo hery izy io ao anatin'ny roa andro ka hivadika ho rivodoza homena ny anarana Hidaya... ♦ Nitohy androany teny Faravohitra, tamin'ny alalan'ny vela-kevitra narahana adihevitra, ny fanamarihana ny fetin'ny asa, ary hitohy amin'ny filaharam-be ho an'ny rahampitso 1 mey...
♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco