♦ Tontosa ny alahady 1 ôktôbra 2023 ny fametrahana araka ny fomban’ny Eglizy an’i Mgr Gustavo Bombini Espino, Arsevekan’ny Toliara… ♦ Niatrika ny famaranana ny Sinaody Diôsezanina andiany faha-2, ny 21 ka hatramin’ny 24 septambra 2023 ny Diosezin’i Moramanga… ♦ Ilaina ny fahatsoram-po sy ny fahamarinan’ny tsirairay, hoy ny fampianaran’i Papa François tamin’ny Angélus nataony omaly…
♦ Fo mirehidrehitra anaty; tongotra am-pandehanana; io no hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny Misiôna, ny taona 2023... ♦ Notendrena tamin'ny talata 26 septambra 2023, ny Vikera Jeneraly ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Niompana tanteraka tamin'ny fitsidihana apôstôlika faha-44 nataony tany Marseille, ny fampianaran'ny Papa François, ny alarobia lasa teo...
Ny safidy amin'ny maha kristiana antsika dia tokony hisafidy ny hisian'ny fahamarinana eo amin'ny sehatry ny fifandraisana rehetra. Ireo sehatry ny fifandraisana tokony hisian'ny fahamarinana dia : ny tokantrano, ny firaha-monina ary ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Lahika manodidina ny 900 avy amin’ny Diôsezy 16 no nanatrika ny fankalazana ny andron’ny lahika nanomboka ny 22 ka hatramin’ny 24 septambra, tao amin’ny Diosezin’ny Mananjary... ♦ Nikarakara hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana ny fandaharan’asa PCEE avy eo anivon’ny ivon-toerana Arrupe Faravohitra... ♦ Fitiavana maimaim-poana tsy misy tambiny no itiavan’Andriamanitra antsika. Io no votoanton’ny fampianaran’i Papa François nandritra ny Angelus omaly...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco