♦ Tontosa ny fitsidihana pastôraly izay notanterahan'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, tany amin'ny distrika Ambinanindrano. Tokony handray ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay, hoy ny Kardinaly, nanafatrafatra nandritra izao fitsidihana izao... ♦ Hotontosaina ao Analavoka ny fankalazana ny fetin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay hotanterahina ny 6 hatramin'ny 9 aogositra ho avy izao, ho an'ny Diôsezin'Ihosy... ♦ Ny Eglizy, ny fanavaozana ary ny Evanjely, ireo teny telo ireo no fitalahoana hanentanan'ny Ray masina antsika, amin'io vola aogositra ho avy io...
Lesoka lehibe ho an'ny fivoaran'ny famokarana eny ambanivohitra ny tsy fahampian'ny teknisiana manoro lalana azy ireo momba ny haitaom-pamokarana. Antony nahatonga ny fikambanana Lanja Miakatra manofana ireo tantsaha any amin'ny faritra misy azy ireo.
Ny fifandraisan'ny mpiray tampo efa samy manana tokantrano dia manana endrika hafa. Tsy mitovy amin'ny fifandraisan'ny iray tampo tamin'ny mbola teo amin'ny tranon-draiamandreny ny fifandraisan'izy ireo rehefa samy manana ny tokantranony. Tokony tsy ho adinoina anefa ireo soatoavina sy fanabeazana azo tamin'ny ray aman-dreny mba hitohizan'ny fifankatiavana hatrany...
Ny tanora no manana ny hery rehetra ahafahana manao zavatra araka ny fahalalana ananany. Tsy misaraka ny fahaiza-miaina sy ny fahaiza-manao ka izay no hisarihana ny sain'ny tanora, na manana fahafahana aza dia tsy tokony hirehareha. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco