Ara-tsoratra masina, ny atao hoe "asa" araka ny Eksaody : Ny vahoaka Jody izany hoe ny Israelita dia nandevozina hiasa, ireo taranak'i Jakoba, niasa toy ny biby, tsy araka ny sitrapony ; mampiseho ny endriky ny asa fanandevozana. Vokatr'io fanandevozana io no nampiseho tsikelikely ny asa-pamonjena. Nivoatra ny famaritana ny asa satria niparitaka ny kolontsaina grika lasa fanompoana... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Mpinamana niara-nianatra tany Antananarivo i Tovo sy Dera ary Seheno, nampan-kevitra ny hiala sasatra any amin'ny toerana niavian'i Dera izay misy ny ray aman-dreniny. I Dera sy Seheno dia mpifankatia ary manana fikasàna ny hivady. Noraisin'ny ray niteraka an'i Dera tamin'ny hafaliana izy telo mianadahy. Nisaram-panambadiana i Tovo, naneho fahavononana hanampy azy amin'ny fitadiavam-bola hivelomana ny rain'i Dera, ary nanampy azy koa ity farany.
♦ Mampahomby ny iraka ny fiombonana sy ny fandraisana anjara, hoy ny Evekan'ny diosezin’i Tsiroanomandidy, Mgr Gabriel Randrianantenaina... ♦ Hampiavaka ny Fihanonam-be Nasiônalin’ny Ankizy Katôlika eto Madagasikara ny “Village Laudato Si’” ho tanterahana ny 29 jolay 2023... ♦ Amboaran’ny firahalahiana ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora, hoy ny Papa François...
Ao amin'ny Jenezy 1, 28 " miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy". Ny hoe mitomboa maro dia midika ho fiarovana ny aina ; ary ny hoe mizakà dia midika ho fizakàna ny tany amin'ny alalan'ny asa. Rehefa tsy an'asa ny olona iray dia tsy afaka ny hiaro ny aina satria ny olona noana dia tsy afaka hiaro ny aina. Nomen'i Jesoa kristy lanja ny asa nandritra ny fotoana nahavelomana satria ny 3 taona no nitoriany ny teny fa ny 30 taona teo alohan'izay dia natokany ho an'ny asa.
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco