♦ Nampahafantarin'ny CENI androany, ny vokatra vonjy maika tsy mbola ôfisialy, tamin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny 29 mey 2024. Nahatratra 48% mahery ny taha-pahavitrihan'ny mpifidy... ♦ Mbola mila manao ezaka i Madagasikara amin'ny fampiasana zezika amin'ny voly vary... ♦ Nisaraka ady sahala samy tsy nitoko androany i Mali sy i Madagasikara tatsy Johanesburg Afrika Atsimo, nandritra ny lalao fifanitsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2026...
Ny Riba dia fitambaran'ny fomba amam-panao, ny toetra sy ny fihetsika dia ny fanao mahazatra, fomba fiheverana mirakitra fahendrena, maneho ny maha izy azy ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny riba dia maneho zavatra sarobidy ao anatin'ny fiaraha-monina ; misy toetra sy fihetsika mifototra tamin'ireo hafatra napetrak'ireo razambe teo aloha, iombonan'ny besinimaro ary hifandovana. Ny Riba dia mivoatra araka ny vanim-potoana, izany hoe misy ny "riba tranainy na ela" sy ny "riba vao" ; ohatra ny famorana dia ny rain-jaza no nanatanteraka azy taloha fa ankehitriny dia efa mpitsabo nianatra manokana ; izany hoe hatarafana ny fomba taloha sy ny vao. Iray ihany ny RIBA sy ny FOMBA, KOLOTSAINA...
Fomba sy lovam-panahy ho an'ny kristiana ny vavaka satria maka tahaka an'i Jesoa kristy ny tena kristiana, jesoa nivavaka ; ny Apôstôly àry dia nangataka mba hampianarina hivavaka. Ny vavaka rehetra ataon'ny Kristiana, na iombonana na samirery, dia mandalo ao amin'i Jesoa avokoa. Ny vavaka dia firesahana mivantana amin'Andriamanitra, eo no angatahina ny fitarihan'ny Fanahy Masina, izay manohana antsika. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Sandy dia lehiben' ireo mpandroso sakafo amin'ny Hôtely lehibe iray, tia azy ary maniry ny hiaraka aminy i Hery. Nitady hevitra hiresahana matetika amin'i Sandy i Hery, ary nanapa-kevitra ny namboraka ny fitiavany an'ity vehivavy ity. Mpinamana i Hery sy Rina, mifamboraka olana ; nangataka toro-hevitra i Hery mba hanamafisany ny fifankatiavana ao antokantranony...
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco