• Tanora roa hafa indray no nosamborina, noho ilay fihatsiketsehana ny herinandro teo, raha ny tatitry ny Collectif de Mouvement Gen Z, androany... • Toy ny lany olomanga i Madagasikara tamin'ny nanendrena PDS hitantana an'Antananarivo, hoy ny Sendika Mahaleotenan'ny Mpiasan'ny Kaominina. Naneho ny heviny tamin'ny mpanao gazety, izy ireo... • Mandray anjara amin'ny fivoriana lehibe isan-taona karakarain'ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena any Washington i Madagasikara. Mitarika ny delegasiona any an-toerana ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola...
Ny olombelona dia tsy afaka miaina tsy misy fitiavana. Ao amin'ny fitiavana no miorina ny finoana, izay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fifampiresahana, ny fifanankalozan-kevitra dia fototra mampanjary ny fifanakaikezana am-po ; mila mitandrina ny ray aman-dreny sy ny zanaka fa ny rivotra entin'ny teknôlôjia ankehitriny dia mahavita manozongozona ny fifampitokisana sy ny fifandraisan'ny fianakaviana. Ao anatin'ny teny dia misy hasina, tsara kokoa raha tso-drano am-bava no hafafy toy izay ozona... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fiainana ao am-bohoko, ny zaza menavava, ary zazakely dia tandindon'ny fitohizan'aina. Ilàna fihomanana tsara ny fanohizan'aina : fahalalana ny tsingerin'ny fadimbolana, fahalalana ny fotoana mahalonaka, fahasalaman'ny mpivady. Tsara kokoa ny fitondrana vohoka raha arahi-maso eny amin'ny tobi-pahasalamanana fa manampy ny mpivady ny toro-hevitra ara-pahasalamana azo eny. Tsy tsara ho an'ny vehivavy mbola mbola tsy niteraka ny fampiasàna fandrindram-piterahana, indrindra ireo mihataka amin'ny ara-boajanahary... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Natomboka androany tamin'ny fomba ofisialy tetsy amin'ny CCI Ivato ny Fikaonandoham-pirenenan'ny tanora ho an'ny Fanavaozana. Nalalaka tamin'ny fanehoan-kevitra ireo tanora nandray anjara... • Hivoaka tsy ho ela ny vatsim-pianaran'ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo. Nanome toky momba izany ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa... • Nanomboka androany ny hetsika "Asako rahampitso". Miisa 9 alina ireo tanora mpianatry ny lisea nisitraka izany nandrita ny 18 taona...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco