Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.
• Mankasitraka ny hetsika fampihavanana nosantarin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Filohan'ny mpanohitra eny amin'ny Antenimieram-pirenena, tany Ambovombe Androy, ny ankamaroan'ny mpanao politika... • Hiroso hanamafy ny fihavanana koa ireo foko valo ao Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana. Hetsika hotanterahana ny zoma 21 aogositra 2026... • Mila arindra, hanosika ny fampandrosoana ny fiharian-karena ny firafitry ny hetra eto Madagasikara. Manakana ny orinasa tsy handroso ny hetra misy eto amintsika, hoy ny Profesora Hugues Rajaonson...
Mety ho ratsy toerana ihany ny Arofanina raha hanompana ny matoan-dahatsorany ka handrasa ny fanomanana ny taom-pianarana vaovao, anio. Tsy hay anefa ny tsy hiteny sy hamakafaka satria zava-dehibe ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra, izay fotoana iray hany hamaritana ny ho avin’ireo zandry, zanaka.
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco