Mahaiza mifanampy isika Malagasy amin'ny fanjifàna ny vokatra eto an-toerana, fa ny vita avy any ivelany manabe takolaka ny hafa fotsiny. Tsangan-kevitra apetraka ny hoe : "maro tohanan'ny maro". Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Mifantoka amin'ny zava-misy iainan'ny firenena, ny hafatra avy amin'ny Justice et Paix, izay nanatanteraka ny Fihaonambe, ny 18 hatramin'ny 21 aprily 2023... ♦ Nanatanteraka Zaikabe sady nanokatra tamin'ny fomba ôfisialy ny fankalazana ny faha-90 taona niorenany, ny MDMK-CVX ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Fianakaviambe Fransiskana, tia sy manaja ny Tranobe iombonana, io no lohahevitra nifampizarana nandritra ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tany, ny Rano ary ny Ala, teny amin'ny trano fivarotam-boky Masindahy Paoly Analakely, ny sabotsy teo...
Mila filaminana isika na ara-tsaina na ara-batana na ara-panahy. Mila mifanaja ihany koa, indrindra ny fanajana ny fitsipi-pifehezana na ao an-tokantrano na eo amin'ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Samy nanentana ny mpino rehetra kristianina manerana an'i Madagasikara, mba hitalaho mandrakariva ny famindram-pon'Andriamanitra, na ny tany amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, na ny tao amin'ny Chapelle an'ny Aumônerie Saint Luc Befelatanana, nandritra ny fanamarihana ny Alahadin'ny Famindram-pon'Andriamanitra... ♦ Nifarana omaly ny fivahinianana masina diôsezanina izay fanao isan-taona, tanterahana any amin'ny toerana naha maritiry an'i Ramose Lucien Botovasoa, ary nanamarihana ny fahadimy taona nanandratana azy ho Olontsambatra...
• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco