Ny fanantenana dia mitondra amin'ny finoana ary ny finoana manova ny zavatra ho amin'ny tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Hahazo vahana aty afovoa-tany sy ny any afovoany atsinanan'ny nosy ny oram-pahavaratra ato anatin'ny roa andro. Misy ireo fampitandremana avy amin'ny Météo, ka mety hiteraka fikorontanan'ny asa aman-draharaha... ♦ Mety hahazo depiote maro an'isa eny Tsimbazaza ny Vovonana Firaisankina, hoy ny mpanao pôlitika Zakahely Boniface. Mila misokatra amin'ireo mety ho kandidà tsy miankina izy ireo... ♦ Noferana ireo teratany vahiny nomena fanomezan-dalana hiasa eto Madagasikara, mba ho fitsinjovana ny Malagasy. Tsy misy afa-tsy 2.200 izy ireo, ho an'ny taona 2023, raha ny tarehimariky ny EDBM...
♦ Nanentana ireo tanora mandranto fianarana eny amin'ny Anjerimanontolo ny Arsevekan'Antsiranana, nandritra ny fitsidihany ny Aomôneria Katôlikan'ny Oniversiten'Antsiranana omaly, fa voafetra ny lôjikan'izao tontolo izao... ♦ Nanatanteraka fihaonambe ny Garde d'Honneur-n'ny Fo Masin'i Jesoa, tao amin'ny Diôsezin'i Toamasiana, nanomboka ny 23 hatramin'ny 25 febroary 2024... ♦ Ezahana ho tanterahana isan-taona ny hetsika fambolen-kazo, ho an'ny Kôlejy Masina Misely Itaosy...
♦ Notontosaina tao amin'ny Nosy Maurice ny 11 ka hatramin'ny 17 febroary 2024 ny fiofanana sy fampiofanana momba ny fiarovana ny zaza sy ny marefo amin'ny herisetra… ♦ Manatanteraka ny “Fitsidihana miaraka” ho an'ny Faritra Afrika-Madagasikara, any Kigali Rwanda ny Filankevitra Jeneralin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco ny 20 ka 23 febroary 2024… ♦ Manentana ny kristianina hanamafy ny vavaka mba hisian'ny fandriampahalemana any amin'ny faritra atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Congo ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana…
• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco