Ny antony mahatonga ny fahasimban'ny tontolo iainana : Voalahany ny fanaovana tsinotsinona ny kolontsaina malagasy, raha tsy hiteny afatsy ny ala, ohatra ny "reserve de Bemarivo-Ampasy ; faharoa ny fifindramonina tsy misy fandrindràna, eo koa ny fanapahan-kevitra ambony latabatra avy amin'ny fanjakana mikasika ny fitrandrahana, ary farany dia fambolena mampiasa tavy sy ny fanaovana arina fandrehitra....
Alarobia 23 desambra 2020 — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay ; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66
♦ Nafohezina ho 20 andro ihany ny fotoam-pialan-tsasatry ny fitsaràna amin'ity. Hanomboka rahampitso moa izany fiatoan'ny raharaham-pitsaràna izany manerana ny nosy... ♦ Nitondra fanazavàna ny ministry ny fanabeazam-pirenena, momba ny fisian'ireo kit scolaire nisy nanary tanaty dabam-pako tao an-drenivohitra... ♦ Tsy azo amidy eny an-dalambe intsony ireo "masque chirurgicale" fampiasa amin'ny fitsaboana, hoy ny eo anivon'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka, hisy fepetra ho raisina mifandraika amin'izany...
Alahady 20 desambra 2020 — Alahady fahefatra amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 28-36 — Inty aho mpanompovavin’ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco