Tsy afaka hiaina ivelan'ny fiaraha-monina ny mpivady. Natao hiara-hiaina aman'olona, na samy manana ny toetrany aza ny tsirairay. Tsy mora mandrakariva ny miara-monina, eny fa na dia ny fiaraha-monin'ny mpivady aza dia tsy hoe : mandeha ho azy akory fa mety hisy korontana, mety hisy tranga maro manimba ny fifankatiavana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
---/… Nanamarika ny 03 mey, andro isaisam-pirenena ho an’ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety isika omaly. Niavaka izany tamin'ity taona ity ho antsika teto Madagasikara satria andron'ny fanavaozana tokoa angamba. Herinandro mialoha tokoa manko no efa nisy ireo hetsika isan-karazany, ary mbola nitohy omaly ivon’ny fankalazana, tamin'ny alalan’ny fizarana mari-boninahitra ho an'ireo nahavita be teo amin'ity sehatra ity. Velom-pisaorana ny amin’izany ny Arofanina...
Ny saina mahiratra araka ny fikarohan'ny olombelona ary tsy mivaona fa sady lavorarian'ny fampianaran'i Kristy no manampy antsika hahazo ireo zava-misy ireo. Miankina be dia be, amin'ny firoborobon'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny hafinaretan'ny olona sy ny fokonolona. Ny Mpivady no fototra voalohany mampirindra ny fiaraha-monina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
Ny fanabeazana sy ny fitaizana dia tsy afaka misaraka, ary mifameno. Ny fanabeazana dia fanomanana ny zanaka ho tompon'andraikitra ka ny ray aman-dreny no tahafina amin'izany, mba hahay handrindra ny fiainana, hamelona sy hiaro ny ankohonana ary indrindra hitsinjo ny ho avy; etsy ankilany ny fitaizana dia fampitana fahalalana, hahazoana fahaizana, faharanita-tsaina, izay rantovina any am-pianarana. Ny fanabeazana dia mirona amin'ny rafi-tsaina fa ny fitaizana dia mandrani-tsaina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco