Ireo dingana efa nolalovan'ny fandaharana "mba ho vanona" : Ny ambaratonga voalohany dia ny fitiavana ; ankehitriny dia eo amin'ny ambaratonga faharoa isika izao, dia ny firesahana ny safidy, ity farany dia harena nomen'Andriamanitra ny olombelona. Ny olona tompon'andrikitra dia olona manana vina sy tanjona, isan'ambaratongany... Fandaharana "mba ho vanona" iaraha-miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Raiso ho antson'Andriamanitra ny fikatrohana ao amin'ny Ekipa Ankalazao ny Tompo, hoy i P. Pierre Marcial Rakotomahefa, tamin'ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Ankalazao ny Tompo... ♦ Nanentana ny tanora hihazakazaka hitondra an'i Jesoa tsy amin-tahotra eo amin'ny fiainana, i Mgr Alfredo de Nobrega, tamin'ny famaranana ny JMJ Diôsezy faha-7, tao Mananjary... ♦ Nifarana androany ny famangiana apôstôlika nataon'ny Papa François tao Mongolie...
♦ Hotanterahana ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena, amin'ny talata 5 septambra 2023, ny fitsofan-drano an'i Mgr Jean Pascal Andiantsoavina... ♦ Homarihana ny sabotsy 2 septambra 2023 ny Taom-bolamenan'ny Ekipa Ankalazao ny Tompo... ♦ Hasandratra ho Olontsambara ny alahady 10 septambra 2023 any Pologne, i Joseph sy Victoria Ulma, miaraka amin'ny zanany fito mianadahy...
♦ Diakra miisa 19 sy pretra 16, no hohamasinina amin'ny Andron'ny Diôsezin'Antananarivo, ny alahady 27 aogositra 2023... ♦ Tsy maintsy mandray an'i Masina Maria mitoetra ao aminy, ireo izay milaza fa mpianatr'i Kristy, hoy i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, tamin'ny fankalazana an'i Masina Maria Mpanjakavavy... ♦ Tanterahana ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga ny 23 hatramin'ny 27 aogositra 2023, ny Lasy Nasiônaly "Balto 2", ho an'ny Lovitao eto Madagasikara...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco