• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...
‘Ndao mba hiresaka baolina indray isika anio! Tsy dia ilay baolina dakana ambony kianja iny loatra fa ilay ekipam-pirenentsika no tian’ny Arofanina hisarihana ny saintsika eto, dia ny Barea izany. Ny Barea, ilay ekipa mahavita mampitovy hevitra ny Malagasy rehetra, anatin’ny fisamatsamahana entin’ny rivotra sosialy sy politika ankehitriny.
24 marsa — Zanaky ny printsy tao Suède i Catherine, i Masimbavy Brigitte no reniny. Mbola kely izy, dia efa narahan'ny demony izay niendrika omby hanoto ny vatany mbola marefo. Nobeazina tamin'ny fahamasinana tany amin'ny trano fitokana-monina izy, fa rehefa tonga ny fotoana hirisoany amin'ny fanambadiana dia notolon-drainy vady tsara toetra sy nanaja azy ary nifanaraka taminy hitazona ny voadin'ny fahadiovana izany efa niriny hatry ny fony kely.
Mbola mampiasa harina fandrehitra sy kitay amin’ny fahandroana sakafo ny 90% ny tokantrano malagasy eto amintsika. Mihazakazaka vokatr’izany ny velaran’ala ringana eto amintsika.
• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco