♦ Manamafy ny fiaraha-miasa ny Eglizy Katôlika aty Afrika sy ny Vondrona Afrikanina. Amperin'asa indray ankehitriny ny Biraom-pifandraisan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy Madagasikara amin'ny Vondrona Afrikanina ao Addis-Abeba... ♦ Notanterahana teny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny Tananan'Antananarivo teny Analakely, ny lanonam-panjakana fandraisana fahefana sy nanolorana samboady ny PDS an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanambitana Richard...
Ny didy savaravina (=ADD) dia didy tsy raikitra mivoaka aorian'ny matoan'ny didim-pitsarana (=minutes), izay didy mety mbola hiova. Ny tiana ambara amin'ny hoe onitra "OMBY SISA MITA" dia ilazana ny onitra tsy maintsy hefaina miaraka sy mitambatra, ary tsy maintsy haloa na efa nisy ampahan'olona voampanga aza efa nanefa ny onitra. Dika teny (Mpisolovava = avocat) (Mpitsara=Juge, magistrat) (Tonia = Procureur) (taha-dikan-didim-pitsarana = jurisprudence). Matetika re ny hoe "Fitsarana tsy mahefa", ny antony io dia matetika misy tranga vaovao na antotantaratasy miditra ka tsy tandrify ny sampam-pitsarana iray intsony ny hadirin'ny ady hany ka mila ho "TSY MAHEFA" ny fitsarana ary mandrisika ny hitondrana ny raharaha amin'ny tendrom-pitsarana hafa manoka.
Ny 2/3 amin'ny firenena eto ambonin'ny tany dia mamela malalaka ny atao hoe fanalan-jaza, tamin'ny taona 2014 dia nahatratra 57.000.000 ny fanalan-jaza tamin'io taona iray io. Ny antony mahatonga ny fanalan-jaza dia ny fahantrana, ny firosoana amin'ny firaisana ara-nofo aloha loatra, vohoka tsy nirina ; fitondran-tena tsy mifanaraka amin'ny tenin'Andriamanitra ny vohoka tsy nirina vokatry ny firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambiana. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo manao martiry ny tenany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahanan'ny Papa maneran-tany, ho an'ity volana marsa ity... ♦ Hankalaza ny faha-10 taona nijoroany ny EKAR Notre-Dame de Lourdes Ambohimasina, ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Mila volena ao anatin'ny tsirairay sy ny manodidina azy ny toe-tsaina hanitatra ny tranoben'Andriamanitra, hoy ny Papa François, tamin'ny vavaka Angélus omaly...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco