Maro ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina no mitantara ny resaka fahasahiana na ireo olona sahy nanapa-kevitra sy niroso hanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Ohatra vitsivitsy ireto : Eks 10,26 Mt 6,30 Rom12, 1;2. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P Jean-Luc Ratovonjanahary.
♦ Nankahery ireo pretra Karma vao nohamasinina omaly, i Mgr Rosario Vella, mba tsy ho kivy manoloana ireo fakam-panahy amin'ny maha olombelona... ♦ Nanentana ny fiaraha-miasan'ny lahika sy ny pretra, ny arsevekan'Antsiranana, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, nandritra ny fanamasinana ireo pretra efatra mirahalahy, tany Sambava... ♦ Nanao antso avo ho an'ny tanora, ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, mba hanome lanja an'Andriamanitra sy ho modely ho amin'ny fiainana, nandritra ny fanamasinana ho pretra ireo tanora efatra mirahalahy avy amin'ny fikambanana Oblats de Marie Immaculée, tao Toamasina...
Nanokana ny andro maneran-tany ho an'ny Raibe sy ny Renibe ary ny zokiolona ny Pape François izay marihina isaky ny alahady akaikin'ny fankalazàna ny fetin'ny Mb Anne sy Joachim ka ny amin'ity taona ity dia ny 25 jolay izao no hankalazaina izany.
Alahady 18 jolay 2021 — Alahady fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco