Misy filana maro eo amin'ny olombelona, ary tena ilaintsika amin'ny fahavelomantsika mihitsy aza. Ny tsy fahaizana mifehy ireny filana isan-karazany ireny dia mitarika tsy fanajana ny fahamendrehantsika sy ny fahamendrehan'ny hafa
Niandany tamin'ny mahantra i Jesoa, ary ankinin'i Jesoa amintsika ny fikarakarana ny mahantra izay hitsarana antsika any am-parany. Ny tsy mampandray anjara ny mahantra amin'ny fananany manokana dia mangalatra amin'izy ireo sy manala amin'izy ireo ny Ainy satria tsy ny fananantsika no tazomintsika fa ny azy ireo. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Nihemotra ny demokrasia teto Madagasikara, hoy ny HCDDED. Nahitana taratra izany, hoy ity Filankevitra ambony ity, ny fisian'ireo toe-draharaha politika niseho tato ho ato... ♦ Anatin'ny main-tany, no heverin'ny CENI hanatanterahana ilay fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Hanomboka ny volana oktobra izany, hoy ny Kaomisera nasionaly eo anivon'ity vaomiera ity... ♦ Hahisty ny drafitra hanatsarana ny sehatry ny fandriampahalemana eto amintsika. Misy androany sy rahampitso ny atrik'asa handinihana izany, etsy amin'ny CCI Ivato, karakarain'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena...
Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena mba hisian'ny fahatsaram-piainana, na eo amin'ny ankohonana io, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eo amin'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco