Alarobia 5 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 1-4
Mila ianarana ny fifampiresahana ao an-tokantrano, sao manao fifampiresahan'ny samy marenina ka ny azy ihany no asesitsesika fa ny an'ny hafa tsy re na oviana na oviana. Tsy mety raha mba miresaka nefa ny anao ihany no tiana apetraka sy tanterahan'ny hafa. Tsy mety ny resaka miafara amin'ny ady saritaka. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Manao tantsoroka amin'ny fanohanana ara-tsakafo an'ireo mponina ianjadian'ny tsy fanjarian-tsakafo any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy ny mpiray ombon'antoka amin'i Madagasikara, isan'izany ny governanta britanika. Nanolotra fanampiana 2 tapitrisa Livres Sterling, manodidina ny 2,16 tapitrisa dôlara ho an'i Madagasika hotantanan'ny fandaharan'asa eran-tany momba ny sakafo na ny PAM izy ireo hanohanana ara-tsakafo ny mponina any atsimo.
♦ Efa nivoaka ho boky ny angon-kevitra natao nandritra ny fanomanana ny Sinaodin'ny Eveka, hatao amin'ny taona 2023, ho antsika eto Madagasikara... ♦ Notokanana omaly ny Seminera Zokiny misy ny Filôzôfia, iraisan'ny Arsidiôsezy Atsinanana, ka ao Analamalotra ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina no misy azy... ♦ Nôvisy roa ambin'ny folo mirahalahy no niroso nanao ny voady voalohany ao amin'ny fikambanan-drelijiozy Karma...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco