Nitondra fihavaozam-panahy ho an'ny krsitianina ny fankalazana ny faha-60 taonan'ny diosezin'Ambatondrazaka ny taona 2021. Fanamby telo lehibe no atrehan'izy ireo ankehitriny : ny fanatsarana ny rafitra hifanaraka amin'ny an'ny Eglizy maneran-tany, ny fanentanana ny kristianina hivavaka sy hiaina ny sakramenta, ary handray andraikitra ao amin'ny fiainan'ny Eglizy. Fifampizarana entin'i P. Sata Jean Noël Andrianasolo
Alahady 6 nôvambra 2022 — Alahady Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 20, 27-38
♦ Nohamasinina ho eveka tamin'ny 1 nôvambra 2022, ny Nonce Apostolique vaovao, hiasa eto Madagasikara, hisolo tena ny Ray Masina François... ♦ Nifarana ny alarobia 2 nôvambra 2022 ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny tanora, mifantoka amin'ny fanabeazana ho amin'ny fiadanana, izay notanterahan'ny avy ao amin'ny Fanilon'i Madagasikara... ♦ Nanao antso avo ny hijerena manokana ny zo hiaina sy ny fandriam-pahalemana ny Papa François, nandritra ny lahateny voalohany nataony tao Bahreïn...
Tsy azo tsinontsinoavina ny anjara biriky entin'ny fampiasana fitaovana nohatsaraina mifanaraka amin'ny filan'ny tantsaha ary mifanaraka ihany koa amin'ny fivoaran'ny teknika misy ankehitriny. Hirika mampitombo sy manatsara ny kalitaon'ny vokatra amin'ny fambolena... Dingana sy ezaka maro anefa no nolalovan'ny Malagasy mamokatra ireny fitaovana ireny.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco