♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka Mpanampy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Anisan'ireo hapetraka amin'ny toerana maha Kardinaly azy amin'ny 30 septambra 2023, ny Lehiben'ny Fikambanana Salezianina maneran-tany, i P Ángel Fernández Artime... ♦ Tontosa omaly ny fisaorana an'Andriamanitra sy fankasitrahana an'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, izay nitantana ny Arsidiôsezin'Antananarivo nandritra ny 18 taona...
Notendren’ny Papa François ho Eveka ao amin’ny diosezin’Antsirabe i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy eto Antananarivo.
Ny zo, ny adidy ary ny andraikitra dia isany mampisy hasina sy haja ny olona tsirairay. Ny hasina sy ny haja dia nanana ny lanjany teo amin'ny Ntaolo Malagasy sy ny finoana Kristiana satria ny "hasina" no fototry ny "fahamasinana" ary ny "haja" no mametraka antsika amin'ny hoe "fahamboniana" ; Andriamanitra irery ihany anefa no manana io fahamboniana io avo indrindra.
9 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-30)
♦ Feno 12 taona amin'ity taona 2024 ity ny nananganana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Hankalaza ny faha-130 taona niorenan'ny fikambanana sy ny faha-75 taona nahafatesan'ny Vénérable Mère Marie des Anges, ny fikambanana masera Carmélites de Sainte Thérèse de Turin, ny 6 ôktôbra 2024... ♦ Namarana ny famangiana apôstôlika andiany faha-46, nataony tany Luxembourg, ny Papa François omaly...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco