Mahay manaja ny tenany sy hajain'ny hafa ny vehivavy rehefa hita sy tsapan'ny olona eny aminy ny maha-olom-banona nandray fanabeazana azy. Mila tena mianatra ny vehivavy mba tsy ho lasa fitaovam-pahafinaretana sy fitaovam-piterahana fotsiny. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
♦ Mbola mila jerena sy ifampiresahana ny momba ny fahaleovan-tenan'ny CENI, hoy ny HVM, mialoha ny fifidianana amin'ny taona 2023. Hiditra amin'ny raharaha pôlitika eto amin'ny firenena amin'izay ity antoko mpanohitra ity, manomboka amin'ny faran'ny herinandro izao... ♦ Nambenan'ny Emmoreg, ny fitokonana nataon'ireo mpiasan'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony eny Tsimbazaza, androany... ♦ Ahiana ho lany tamingana ny sokatra mampihavaka ny any atsimon'i Madagasikara, noho ny kolikoly miseho amin'ny fangalarana sy ny fanondranana io zava-manana aina io...
Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Miavaka amin'ny zava-boary rehetra ny olombelona satria : Fanahy, Aina, Vatana. Aza ny sakana anaty no omena vahana fa manimba ny ho avy izany. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Alarobia 21 septambra 2022 — Masindahy Matio, Apôstôly Evanjelista — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 9-13
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco