Ny fanambakàna dia miseho amin'ny endriny maro noho ny tsy fahalalana. Ny fanambakàna dia manimba ny rivotry ny fiaraha-monina, na eo amin'ny olon-droa na eo amin'ny fianakaviana na eo amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Fanontaniana tsy maintsy hapetraka ity fanontaniana ity mba hanehoana ny fitiavana ny tanindrazana dia ny hoe : Inona ny anjara biriky azoko hatolotra ho fanasoavana an'i Madagasikara?. Tsy tokony hifanome tsiny na hifampiandry ny hafa isika mba hampandrosoana ny firenentsika. Ny fahombiazan'ny tsirairay no tonga ho fahombiazan'ny firenena iombonantsika. Ny fahasalamana no voalohan-karena ka raha salama ny tsirairay dia afaka hamokatra ho azy sy ny firenena, izay anjara biriky kely ihany.
5 jolay 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Andriamanitra nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 28-34)
♦ Nitohy androany ny fanakatonam-baravarana fampitsaharana ny asa ataon'ireo mpiasan'ny CNaPS manerana ny nosy. Hetsika hitohy mandram-pivalin'ny fitakian'izy ireo, hoy ny “délégués” sy ny sendikan'ny mpiasa... ♦ Namoaka fanamabrana ny Holafitry ny vadin-tany androany, fa mikatona avokoa ny birao fiasan'ny vadin-tany rehetra manerana ny nosy rahampitso... ♦ Tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato mandritra ny roa andro ny Vovonam-pirenena ho fankatoavana ny drafi-pirenena momba ny Fitsinjaram-pahefana Miabo, na ny PNDE. Nanokatra izany tamin'ny fomba ôfisialy ny Filoham-pirenena...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco