André dia avy any Betsaida, ary rahalahin'i Simona-Piera, mpanarato tahaka azy koa. Mpianatr'i Joany Baptiste izy io ary izy no iray amin'ireo roa mpianatra voalohany nanaraka an'i Jesoa. Jakôba : ilay lehibe na zokiny sy Joany zanak'i Zebede, mpanarato tao amin'ny reniranon'i Tiberiady ihany koa, nanaraka an'i Jesoa tsy nisalasala, nomen'i Jesoa fanampin'anarana hoe "zana-baratra"... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nivadika ho adin'andrim-panjakana ilay raharaha fanadihadiana ny Filoha Lefitry ny CENI, momba ny fivoahan'ny tolo-dalana mifehy ny fifidianana. Miantso fifampiresahana ny KMF/Cnoe, manoloana ity raharaha ity... • Miantso ireo parlementera ny Randrana Sendikaly, hanery ny fitondrana mpanatanteraka, hitady vahaolana amin'ny delestazy... • Maro loatra ireo fitarainana momba ny fandraisana mpiasam-panjakana ho an'ireo niofana tamin'ny CRINPF. Nanaotra ny hijerena izany ny Vaomiera miady amin'ny kolikoly eny anivon'ny Antenimieram-pirenena...
05 jona — I Masindahy Boniface resahana eto dia ilay arseveka tao Mayence, maty martiry tamin’ny 754. Teraka tao Crediton tao Angletera tamin’ny 680 i Masindahy Boniface fa mbola Winfrid moa no anarany tamin’izany. Nisy aretina nahery vaika nahazo azy tamin’izany fotoana izany. Izy anefa efa naniry handeha hiditra hitoka-monina fa tsy navelan’ny ray aman-dreniny.
• Nihaona teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha androany ny Filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina sy ny Filohan'i Slovenie Natasa Pirc Musar. Nisongadina nandritra izany fa mifototra amin'ny lafin-javatra telo lehibe ny fiaraha-miasa eo amin'ny tany roa tonta... • Tsy mifanaraka amin'ny fiainam-bahoaka ireo fepetra raisin'ny mpitondra ankehitriny hoy ny MMM. Takian'ity antoko ity ny hisian'ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana mba hifanaraka amin'ny zava-misy eto amin'ny firenena... • Mandray anjara amin'ny fanamarihana ny andron'ny 5 jona, andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana, ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety mikirakira ny tontolo iainana na ny AJE...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco