• Raharaha Boeing 777, napetraka hodinihin'ny Fitsarana ny fangatahan'ny Fampanoavana momba ny hanokafana famotorana fanampiny momba ity raharaha ity. Nolavin'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly koa ny fangatahana fahafahana vonjimaika napetraky ny mpisolovava ireo voarohirohy… • Mangataka ny hijeren'ny fitondram-panjakana sy ireo Solombavam-bahoaka ny olan'izy ireo, ny tantsaha mpamboly “orge” ao amin'ny Kaominina Ambano, Distrikan'Antsirabe Faharoa… • Nanomboka androany ny Herinandro ho an'ny Havatsa UPEM. Nisongadina tamin'ny fanomezana Mari-boninahitry ny Kanto sy ny Asa Soratra ho an'ireo mpikambana…
Ny mpiventy amin'ny lahabolana "ôsika na ôsiky" no tena atao hoe mpiôsika. Ity lahabolana ity dia atao hira am-bava, mazana arahana tehaka, misy koa anefa mampiasa zava-maneno. Ny ôsi-dihy dia ahitana olona manao dihy mihitsy. Ny faritra atsinanana-avaratra any Analanjirofo, Ambatosoa no tena miangaly azy, ankoatra ny ao Alaotra. Tsy misy fetra ara-potoana arahina amin'ny fanaovana ny ôsika fa arakaraky ny aingam-panahy. Maro ny fomban-drazana hanaovana ny ôsika fa ny tena hanehoana ity lahabolana ity dia ao anatin'ny fifaliana, ankoatra ny hoe fahafatesana na fahalasanana ray aman-dreny efa voky andro, ohatra 90 taona no mihoatra...
Ny hasin'ny olona amin'ny dingana rehetra amin'ny fiainany : hatramin'ny torotoronina ka hatramin'ny fahafatesana voajanahary. Hatramin'ny fotoana voalohany isian'ny olona dia tsy maintsy ekena ny zony amin'ny maha-olona azy, ka anisan'izany ny zo tsy azo foanana ananan'ny olona tsy manan-tsiny rehetra ho velona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
• “Tafio ny fiadian'Andriamanitra”, io no teny manentana ny fiainan'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina. Tontosa omaly ny fanamasinana azy ho eveka… • Hotanterahana ny 25 hatramin'ny 29 aogositra 2027, ny JMJ Mada XI, izay horaisin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Isan'ny nanamarika ny fandahram-potoanan'ny Papa Léon XIV, tamin'ny famangiany an'i Uruguay omaly, ny fandalovany tao amin'ny Paroasy arovan'i Mb Thérèse de Lisieux…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco