Fomba sy endriky hamantarana antso ny fahanginana. Mila fitoniana rehefa misy tranga iray, tsy misendaotra, mamakafaka tsara ao am-po lalina. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Nosokafana omaly ny Sinaody faha-7, ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana... ♦ "Eglizy miara-mandray andraikitra, miara-manatontosa ny iraka", io no hafatrafatra natolotr'i Mgr Jean Claude Randianarisoa, nandritra ny fitsofan-drano ny fasana vaovaon'ny fikambanana Trinitera, tao amin'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Tsy hoe, manompo ireo madinika, fotsiny ihany, fa mahatsapa ho madinika ihany koa : fampianarana nentin'ny Ray Masina nandritra ny vavaka Angelus omaly, teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera...
Alahady 3 oktobra 2021 — Alahady fahafito amby roapolo mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 2-16
Ny aretin'ny nofon'ny fo dia fahatsentsenan'ny lalan-dra, izay mamelona ny fo, ary mahalo ny nofo mandrafitra ny fo. Isan'ny antony mahatonga ny aratin'ny nofon'ny fo ny fahasimbana na fahatsentsenan'ny lalan-dra noho fikorontanan'ny "cholesterol". Amin'ireo tratry ny aretin'ny nofon'ny fo dia lehilahy ny 60%. Manafaigana ny ahazoana io aretina io ny fifohana sigara, fisotroana toaka, tsy ampy fihetseham-batana, mitaitaindava, ny tosi-dra. Fambara : marary ny faritra ambadiky ny ivon'ny taolan-tratra...
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco