Anisan’ny ezaka lehibe iray izay ilofosantsika ny vavaka mandritra izao karemy izao. I Jesoa zokintsika mihitsy aza no mampirisika antsika hivavaka ary hanana faharetana sy fitokisana tanteraka fa hivaly ny vavaka ataontsika. Ezaka tsy maintsy atao ny hananana toe-po vonona hiasa sy mandray andraikitra. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb
Tohizantsika hatrany izao fandinihana sy fibanjinana masina ataotsika izao ka androany indray isika dia hifampizara ny hoe: “toe-po sy toe-panahin’ny olona mivavaka”. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangindrainy, Sdb
Alarobia 9 marsa 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 29-32
♦ Niditra an-tanety androany maraina ilay rivodoza Gombe, niforona tatsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Hivoaka an-dranomasina izy anio alina... ♦ Ambohim-pihaonan'ny vehivavy avy amin'ny lafivalon'ny nosy ny tao Antsirabe androany. Nampiantrano ny fanamarihana ny ôfisialy ny andron'ny 8 marsany renivohitr'i Vakinankaratra... ♦ Tsy azon'i Madagasikara atao ny manakana ireo mpandeha mandray ny sidina iraisam-pirenena, tsy hitondra valise misy kodiarana sy ordinateur, hoy ny Minisitry ny fizahan-tany...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco