14 febroary — I Cyrille dia teraka tao Thessalonique ny taona 827 ary maty ny 14 febroary 869 tao Roma. Méthode rahalahiny kosa dia teraka ny taona 815 tao Thessalonique ihany ary maty ny 06 aprily 885 tao Grande Moravie.
Fanazavana an-tsary maneho ny dingana fiomanana rehetra ain’ny Sinaody. Navoakan’ny foibe misahana ny Sianody ny Tahirin-kevitra Fiomanana sy ny Soridalana mba ho fitaovana ampiasaina eny anivon’ny Eglizy tsirairay amin’ny fanatanterahana ny dingan’ny Sinaody eo anivon’ny diosezy.
Alahady 13 febroary 2022 — Alahady fahenina mandavantaona — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 17. 20-26
Ny 11 febroary dia andro maneran-tany natokana hatsiarovana ny marary rehetra. Maro ny aretina mateti-pitranga rehefa fahavaratra, isan'ireny ny aretim-pivalanana, areti-koditra, aretin'ny taova-pisefoana, ary ny tazomoka. Mampiabo ny fipariahan'ny aretina rehefa fahavarana ny fikorontanan'ny tontolo iainana : rivotra maloto, rano miandrona sy maloto, ny fiovaovan'ny toetrandro, fifandimbiasan'ny hatsiaka sy ny hafanana.
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco