Olon'ny vavaka i Jesoa mazava arak'izany fa mivavaka Izy ary manome fitaratra ho antsika amin'izany vavaka izany. Na dia zanak'Andriamanitra aza i Jesoa, izany hoe Andriamanitra dia nivavaka toy ny olona rehetra mivavaka ary tena nivavaka tokoa. Mamaritra ny toetra maha-olona ny vavaka ka anisan'izany i Jesoa ; izany no niantsoana azy hoe "zanak'olona". Amin'ny maha Zanak'olona Azy no nilany ny vavaka. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Tontosa ny sabotsy 17 aogositra 2024, ny Andron'ny Diôsezy sy ny fankalazana ny fetin'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, teo ihany koa ny fankalazana ireo taon-jobily samihafa, ho an'ireo pretra avy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nifarana omaly ny Lasy Ravina andiany faharoa, ho an'ny Antilin'i Madagasikara ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Mamonjy antsika i Jesoa amin'ny alalan'ny famelomany ny fiainantsika amin'ny azy mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianarana nentin'ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Alahady faha-20 mandavantaona — B : Tena fihinana ny nofoko, tena fisotro ny rako ; ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay. Ampy hanafaka anoanana ny rehetra ny mofo masina, araka ny voalaza ao amin'ny Ohabolana : Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko. Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo; ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina”. Tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako hoy Jesoa ; mampisitraka fahasoavana maro ny fihinanana ny Vatan'i Jesoa ny Rany, ary mampandova ny fiainana mandrakizay. Ilàna fahamendrehana ny fandraisana ny Eokaristia, ilàna finoana, ilàna fanetrentena...
18 aogositra 2024 — Alahady Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco