Ny fankahalana dia miteraka fahapotehana tanteraka. Ny olom-banona dia olona mitondra vokatra tsara ho an'ny ankohonany, fianakaviana ary ny fiaraha-monina. Mila mandini-tena ny tsirairay : mitondra filamenana ve izy tenany? manao ahoana ny fomba amam-panaony? Ny tsy fanajana fitsipika manimba ezaka maro. Ny fandrosoana na fahantrana dia tsy anjara na vintana fa safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fianakaviana no sekoly voalohany ho antsika olombelona hatramin'ny fahaefa-taoantsika. Eo anivon'ny fianakaviana no manomboka ny fianarana ny fiainana : fitiavana, mandray ary mizara, fifandraisana amin'ny fiaraha-monina, fianarana fitsipika sy lalàna. Na efa mandeha mianatra any an-tsekoly aza ny ankizy sy ny tanora dia mbola mitoetra ny andraikitry ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
2 ôktôbra 2024 — Ny Anjely Mpiambina — Fahatsirovana — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mpankatò ny sitrany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 1-5. 10)
♦ Mifanome tanana amin'ny fanamboaran-dàlana ao an-drenivohitra, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Minisiteran'ny Asa vaventy. Nanome toromarika ny Filoham-pirenena, hoy ny Minisitra... ♦ Tanterahana eto Antananarivo ny atrikasa fiofanana iraisam-pirenena momba ny tsenan'ny karbôna sy ny tsara ho fantatra momba izany. Hetsika karakarain'ny fikambanambe iraisam-pirenena RRI sy SIF... ♦ Hitohy amin'ny 1 hatramin'ny 3 nôvambra 2024, ny Festival Pirates any Sainte Marie. Ny hanetsehana ny fizahan-tany sy ho fampahafantarana ny tantaran'ny Nosy Boraha no tanjona...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco