♦ Nitokona androany, ireo mpiasa ao amin'ny valanjava-boaharin'i Tsimbazaza, manoloana ny feo miely fa homena hotantanin'ny tsy miankina io toerana io. Tsy naharesy lahatra azy ireo ny fanamabaran'ny Minisitera mpiahy... ♦ Hanaovana antso avo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny hain-tany sy ny kere any amin'ny tapany atsimon'ny nosy... ♦ Very 10 tapitrisa Ariary ny kitapom-bolan'ny kaominina Ampanotokana Ambohidratrimo, noho ny fikatonan'ny tsenan'omby tato anatin'ny telo herinandro...
Maro ny endrika ahafahana maneho fitiavana. Ny endrika fahaefatry ny fanehoana fitiavana dia ny fanomezana. Mba hiainana ny tena fitiavana dia irina mba ho tanteraka izay "fanomezana" izay, amin'ny lafiny maro, eo amin'ny fianankaviana sy ny namana, ary indrindra eo amin'ny mpivady sy mpifankatia. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Misy olana amin'ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka noho izy ireo avy amin'ny vanim-potoana samihafa. Ny 20 novambra no andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny ankizy ; Madagasikara dia isan'ireo nanao sonia sy nankatoa io zo io. Ny fampisitrahana io zon'ny ankizy io dia miainga amin'ny ankohonana, betsaka anefa ireo izay minia tsy halala izany zo izany. Diso ao amin'ny fampitahana ny zava-misy ankehitriny sy ny taloha ny ray aman-dreny, ary ankilany anefa dia tsy voatery hitovy ny zava-misy amin'ireo vanim-potoana roa ireo. Tokony hifandray sy hirindra ny fifampiresahana, ny fifampihainoana, fifankahazoana, fandanjalanjàna ny tranga rehetra...
♦ Polisy nanao herisetra teny Ambanidia, ao Antananarivo Renivohitra. Nanameloka iny tranga iny ary nitaky ny hisian'ny fanadihadiana ny CNIDH... ♦ Ao anatin'ny fotoam-pahavaratra ny eto afovoan-tany. Handray fepetra momba ireo olona mipetra amin'ny faritra nametrahaha saina mena eny Manjakamiadana sy ny manodidina ny BNGRC...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco