Ny zokiolona no mampita amin'ny tanora ny hambom-po hikaroka ny dikan'ny fiainana sy ny finoana. Fahasoavana izany ka mendrika fisaorana an'Andriamanitra, hoy ny Papa François. Arahantsika ny tohin'ny Katesiziny momba ny antson'Andriamanitra ho an'ny zokiolona miaraka amin'i P Justolat Rafaralahimboa.

Manohy fampianarany momba an'i Simeona sy Anna ny Papa François., izay maneho amintsika ny haren'ny fahanterana. Nahazo hery vaovao izy ireo teo am-pihaonana tamin'ny Tompo. Fanazavana miaraka amin'i P. Justolat Rafaralahimboa

Hamafisin'ny Papa François fa toetra iray mendrika alain'ny tanora tahaka amin'ny zokiolona ny faharetana amin'ny fanambadiana. Tsy amin'ny fanambadiana ihany anefa, fa indrindra ihany koa amin'ny vavaka sy ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny anjara toeran'ny zokiolona ao amin'ny fianakaviana, miaraka amin'i P Justolat Rafaralahimboa:

Ny fiaraha-monina na ny fianakaviana no manao antsika an-jorom-bala na manilikilika antsika zokiolona, hoy ny Papa François, nefa ny Tompo tsy manary antsika na oviana na oviana. Tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny anjara toeran'ny zokiolona, miaraka amin'i P. Justolat Rafaralahimboa:

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...