I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Hafaliana lehibe ny Noely satria ny fitiavan'Andriamanitra no tonga amintsika, hoy i P. Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, tamin'ny firarian-tsoan'ny Noely 2021. Tonga ny famonjena izay midika tsy faharahavan'ny fiainana. Io fitiavana sy famonjena io no irariana hanjaka ao amin'ny fiainantsika, ka hifanampy mba hiainan'ny fiadanana sy ny fandriampahalemana.

[Miara-dàlana] Zoma 17 jolay 2026

• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...