“Faharetana ombam-panetren-tena, fahazotoana mikarakara ny tanora, fiainana ny voady telo maha-relijiozy” : Ireo no votoatin’ny hafatr’i Mgr Rosario Vella, eveka salezianina, isan’ireo mpamaky lay ny salezianina teto Madagasikara, tamin’ny fanokafana ny fankalazàna ny faha-40 taona ny nahatongavan’ny Salezianin’i Don Bosco teto Madagasikara.

Sorona Masina no nanamarihana izany ny alarobia 14 jolay 2021 hariva, niarahan’ireo solontenan’ny pretra salezianina avy amin’ny ankohonam-piainana rehetra eto Madagasikara sy ireo pretra efatra voalohany mpamaky lay ary ireo solontena avy amin’ny fianakaviam-be salezianina.

Notsiahivin’i Mompera Innocent Bizimana, Lehiben’ny Salezianina eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice tamin’ny fanombohana ny Sorona Masina fa tanteraka ny nofin’i Don Bosco ny amin’ny asan’ny salezianina eto Madagasikara,ny taona 1886 nahitàny ireo tanora marobe niantsoantso hoe "efa eto ianao ka tsy avelany handeha intsony", ary nitombo manerana ny Nosy ireo sampana ao anatin’ny fianakaviam-be salezianina.

Mifanandrify tamin’ny tenin’Andriamanitra ny fety nankalazaina, hoy i Mgr Rosario Vella, tamin’ny toriteny. Ary toa an’i Moizy nirahina hanafaka ny vahoaka tany Ejipta dia voairaka ihany koa ny Salezianina hihaino ny hiakan’ireo tanora Malagasy. Ny fikirizan’ireo misionera voalohany tamin’ny fampitàna ny fanomezam-pahasoavana sy ny fianarana teny Malagasy no nampahavokatra ny nofin’i Don Bosco, hoy izy. Nanentana ireo salezianina izy hanohy izay natombok’ireo mpamaky lay sy hiaina hatrany izay nanafaran’i Don Bosco.

Fankasitrahana ireo misionera voalohany nitondra io fiainam-panahy salezianina io no namaranan’i Mompera Innocent Bizimana ny fotoana. Ary nanentana ny rehetra izy amin’izao fanokafana izao fa mitohy hatrany ny fankalazana na dia ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...