Ny 20 aogositra 2023 no nanononan'i Frera Razafimandimby Michel Fabrice ny voady mandrakizay maha Salezianina azy. Ny lehibem-pikambanana eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy, i Mompera Bizimana Innocent no nitarika ny lamesa tao amin'ny Paroasy Masindahy Joany Bosco Ankofafa Fianarantsoa. 

Talohan’ny naha Apostolin’i Jesoa Kristy an’i Masindahy Paoly dia hita niharihary sy tsy takona afenina teny amin’ny tanana rehetra manodidina an’i Jerosalema ny lazany noho izy mpanenjika sy mpankahala fivavahana Krsistianina. Manoloana izany anefa dia nifidy azy ny Tompo mba hanambara sy hitory ny vaovao mahafaly eo amin’ny vahoakany ka hijoro ho vavolombelona ny fitsanganany ho velona. Manolona izany, tsy mitrahatra ny manova ny fiainantsika Andriamanitra mandritra ny fiainana lalovantsika eto an-tany. Izy no niantso antsika mba ho tena fanaka voafidy ho azy isika. Mazava arak’izany fa manoloana ny fahalementsika olombelona sy ireo tsy fahalavorariantsika ; Andriamanitra dia tsy mitsahatra ny miantso sy mifidy antsika, mba ho vavolombelona hampahafantatra ny anarany isika eo amin’ireo tsy mpino. Izany indrindra no naharesy lahatra an’i Frera Fabrice (Izay nanonona ny voady mandrakizay ny 20 aogositra 2023) sy ireo Novisy Salezianina miisa 17 (Nanao ny voady voalohany ny 8 septembre 2023), ka nisafidy ny teny baiko manao hoe : « Fanaka voafidy ho ahy io lehilahy io » (Asa 9, 15), teny izay nambaran’i Jesoa Kristy an’i Anania mpaminany nandritra ny dian’i Saoly tao Damasy.

Nandritra ny fijoroana vavolombelona nataon’i Frera Fabrice ny harivan’ny 19 septembre no nanambarany  indrindra fa ny fiainana maha relijiozy dia tsy asa fivelomana na tanjona tratrarina fa fiainana, fanombohan’ny fiainana maha olom-boatokana na dia sarotra aza matetika ny miaina azy.Tsy mitsahatra manome ny fahasoavana tsy misy fetra anefa Andriamanitra manoloana ireo olana maro isankarazany ireo. Izany fahasoavana izany indrindra no nandrisika an’i Frera Fabrice mba hanara-dia an’i Jesoa akaiky kokoa satria i Jesoa Kristy mihitsy no mampianatra antsika fa nandray maimaim-poana ny fahasoavana ianareo ka tokony hanome maimaim-poana ihany koa. Noho izany, mbola ny fahasoavan’Andriamanitra  ihany koa no nanosika ireto Novisy Salezianina ireto ny hanao ny voady voalohany ny 08 septembre 2023 lasa teo. Hoan’ny Fikambanana Salezianina manokana dia hafaliana no nadraisana an’ireto frera vaovao miisa 17 ireto ato anatin’ny Fikambanana. Izany indrindra no nanafatrafaran’ny lehibem-pikambanana i Mompera BIZIMANA Innocent, nandritrin’ny  toriteny izay  nataony fa tsy tokony hatoky tena be loatra isika satria ny fiainana relijiozy dia tsy tanjona, fa fanombohana ny fanamasinan-tena ataontsika amin’Andriamanitra. Koa angatahitsika ny vavaka sy ny fitantanana avy amin’ny Masina Maria hoan’ny fanokanan-tena ataontsika amin’Andriamanitra amin’ny maha Salezianin’i Don Bosco antsika.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...