Alahady manaraka ny Trinite Masina – Taona D : Fankalazàna ny vatana aman-dra masin’i Kristy ; sorom-pihavanana sy sakafo mampiray ny Eokaristia. Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo, izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay. Isaky ny mankalaza ny Eokaristia isika dia mitsaoka ny vantana aman-dran'i Jesoa Kristy, izay faratampony sy ivon'ny fiainan'ny Kristianina ; manambara ihany koa fa tsy Andriamanitra lavitra izy fa Andriamanitra miara-dalàna amin'ny olombelona mino Azy. Ny "procession" dia fanomezam-boninahitra ny Vantana aman-dran'i Kristy...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...