Alahady faharoa - Taona D fankalazana ny Paka : Tompoko sy Andriamanitro! ; nitsangana teo afovoan’ny mpianany i Jesoa ka nanao hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana! Sambatra izay tsy nahita ka mino!". Miresaka ny fahefana hamela heloka ny tenin'Andriamanitra ifampizarana amin'izao alahadin'ny famindram-po izao. Andriamanitra dia mpamindra fo sy mihantra, tsy manadino ny fifanekena efa nisy, ary mandrakizay ny famindram-pony. Tsy mifidy olona hosoavina Andriamanitra. Toetran'Andriamanitra manokana ny famindram-po, ny famindram-po dia tsy manambara fahalemena fa tena fanehoana ny herin'Andriamanitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...