Alahady faha-26 mandavantaona - B : Iza avy no tena an'i Kristy ; Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao. Ny vahoaka rehetra no tokony ho mpaminany, mitondra ny tenin'Andriamanitra. Raha tsy isika fa olon-kafa no mahita hevitra hampandrosoana ny fiangonana, mialona ve isika sa sambatra? Aoka tsy ny tombontsoa no hibahana amin'ny fanapahan-kevitra amin'ny fampandrosoana ny finoana. Tsy ny vola aman-karena no miantoka ny fahasambarana marina ; ilaina ny vola fa atao hanampy izy ireny fa tsy tanjona izay mety hatakona ny hafa sy Andriamanitra. Azo atao ny mampiasa ny harena hanompoana ny hafa, ary mitondra amin'ny fahasambarana marina...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...