Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 5, 12-16)

Nitombo isa ny olona izay nino ny Tompo.

Tao Jerosalema, dia betsaka ny famantarana sy fahagagana natao teo amin’ny vahoaka,
tamin’ny tanan’ny Apôstôly.
Niara-nipetraka teo ambanin’ny lavarangan’i Salômôna ny mpino rehetra,
ary tsy nisy olon-kafa sahy nikambana tamin’izy ireo;
nefa ny vahoaka nankalaza azy.
Nitombo isa isan’andro vaky ny olona izay nino ny Tompo, na lahy na vavy,
ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary,
ka napetrany teo ambony farafara na tsihy fandriana,
mba hisy ho azon’ny tandindon’i Piera ahay, raha mandalo izy.
Maro koa ny olona nidodododo nankao Jerosalema
avy tamin’ny tanàna manodidina mitondra ny marary,
sy izay nampahorin’ny fanahy maloto, ary sitrana avokoa izy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 117, 24. 22-24. 25-27a

Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo. Fa mandrakizay ny fitiavany.

Valion’i Israely manontolo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’ny fokon’i Aarôna:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’ny matahotra ny Tompo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!

Ny vato narian’ny mpanao trano
no indro tonga fehizoro;
ny Tompo no nanao izany:
zava-mahagaga imasonay!
Izao ilay andro nataon’ny Tompo
ho andro fifaliana sy firavoana.

Vonjeo re, ry Tompo ô! Tahio re, ry Tompo ô!
Amin’ny Anaran’ny Tompo, hotahîna anie Ilay avy!
Izahay eto an-tranon’ny Tompo
no mitso-drano anareo.
Ny Tompo no Andriamanitra;
Izy no mpanazava!

Vakiteny faharoa

Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 1, 9-11a. 12-13. 17-19)

Efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay.

Izaho, Joany, havanareo sy namanareo amin’ny fahoriana
sy fanjakana ary fandeferana ao amin’i Jesoa Kristy,
dia tao amin’ny nosy anankiray atao hoe Patmôsy,
noho ny amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fanambaràn’i Jesoa.
Notsindrian’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Tompo aho,
ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon-trômpetra, nanao hoe:

“Soraty amin’ny boky izay hitanao,
ka ampitondray any amin’ny Eglizy fito any Azia”.

Dia niherika nankany amin’ilay feo niteny tamiko aho,
ka nony tafatodika dia nahita fanaovan-jiro volamena fito, maro rantsana.
Ary teo afovoan’ireo fanaovan-jiro ireo,
dia nisy anankiray toy ny Zanak’olona niakanjo akanjo rebareba,
nietra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany.
Vao nahita azy aho, dia nitsingidina teo an-tongony toy ny maty;
fa nanendry ahy tamin’ny tanany havanana Izy, ka nanao hoe:

“Aza matahotra;
Izaho no Voalohany sy Farany ary Velona;
efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay,
sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny afobe.
Koa soraty ny zavatra efa hitanao, sy izay ankehitriny,
ary izay mbola ho avy koa any aoriana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangana teo afovoan’ny mpianany i Jesoa ka nanao hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana! Sambatra izay tsy nahita ka mino!”

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-31)

Nony afaka havaloana dia tonga i Jesoa.

Ny harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro,
raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody,
dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe;

“Ho aminareo anie ny fiadanana!”

Nony efa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ireo ny Tanany sy ny Tratrany,
ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo:

“Ho aminareo anie ny fiadanana!
Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”.

Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Raiso ny Fanahy Masina:
ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela,
ary izay hotananareo dia ho voatana”.

Fa i Tômà ilay atao hoe Didimo,
anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa,
tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa.
Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy:

“Efa nahita ny Tompo izahay”.

Fa hoy izy tamin’ireo:

“Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika
ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako
ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako dia tsy hino aho”.

Nony afaka havaloana,
raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tômà,
dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana.
Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe:

“Ho aminareo anie ny fiadanana!”

Ary hoy Izy tamin’i Tômà:

“Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako,
ary arosoy ny tananao, ka atehefo eto amin’ny tratrako;
dia minoa, fa aza malain-kino”.

Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe:

“Tompoko sy Andriamanitro!”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy;
sambatra izay tsy nahita ka nino”.

Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany,
no tsy voasoratra amin’ity boky ity.
Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra,
ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...