Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 1-11)

Samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ary nanomboka niteny.

Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia tafavory tao amin’ny trano anankiray ny Apôstôly rehetra,
ary tampoka injay nisy feo avy any an-danitra
toy ny rivotra nifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany:
sady nisy lela maro mitarehina afo niseho taminy sy nizarazara
nipetraka teo amboniny tsirairay avy,
ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra
sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa,
araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy.

Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema,
avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra,
nony nahare izany izy ireo,
dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy,
fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra.
Gaga sy talanjona izy ireo, ka vaky nanao hoe:

“Endre, tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo?
Ka nahoana àry ity isika no samy mandre azy
miteny ny fitenin-drazantsika avy;
dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita sy ny mponina any Mezôpôtamia,
Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia, Frijia, Panfilia, Ejipta,
ary ny any Libia akaikin’ny Sirena, sy ny vahiny avy any Rôma,
na Jody na prôzelita, ary ny any Kreta sy ny Arabo,
dia ahoana no samy mandre azy ireo
milaza amin’ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga
ataon’Andriamanitra isika rehetra?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 103, 1ab sy 24ad. 29bd-30. 31 sy 34

Alefanao ny fofon’ainao, ry Tompo, ka mihavao ny endriky ny tany.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko
lehibe indrindra Ianao, ry Andriamanitro;
fiandrianana sy voninahitra no itafianao.
Maro tokoa ny asanao, ry Tompo
sady vita amim-pahakingana.

Ny tany henika ny harenao.
Ny fofon’ainy alanao: mody mandry izy;
ny fofon’ainao alefanao: àry izy,
ka indro mihavao ny endriky ny tany.
Mandrakizay ny voninahitry ny Tompo.
Hifaly amin’ny asany anie ny Tompo!
Ho tonga anatrehany anie ny vetsoko:
ny Tompo, ny ahy, no fifaliako.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal 5, 16-25)

Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanam-po.

Ry kristianina havana, izao no lazaiko:
mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo.
Fa ny nofo manam-pilàna mifanohitra amin’ny an’ny fanahy,
ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo:
koa mifanohitra izy roroa,
hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo.
Raha tarihin’ny fanahy anefa ianareo,
dia tsy mba ambanin’ny Lalàna intsony.
Ary miharihary ny asan’ny nofo:
dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy,
fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana,
fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana,
fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana,
sy ny zavatra toy izany.
Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa nolazaiko fahiny koa,
fa izay manao izany dia tsy mba handova ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao:
fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy,
hazavam-po, tsy fivadihana, fahalemem-panahy, fahalalana onony;
tsy misy izay lalàna mikasika an’ireo.
Izay an’i Kristy Jesoa
dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàndratsiny
tamin’ny Hazofijaliana.
Velona amin’ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin’ny Fanahy;
fa aza te hoderaina foana amin’izay fifampilàna kisa amam-pifampialonana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Antsa amin'ny Fanahy Masina

Avia, ry Fanahy Masina ô, arotsahy re avy any an-danitra ny tsirim-pahazavanao.

  1. Avia re, ry Rain’ny malahelo,
    Mpizarazara fanomezan-tsoa,
    Avia re, Mpisolo vava anay.

  2. Avia, ry Mpanafaka alahelo,
    Fa maminay e ny honenanao.
    Avia re, Mpamelombelona ô.

  3. Fiadananay raha sendra ka mijaly,
    Fialofanay raha sendra maina andro,
    Avia re, Mpanampitamby ô.

  4. Fenoy ny tsirim-pahazavanao
    Ny fon’izay rehetra mino Anao:
    Avia re, ry hasambaranay.

  5. Zahay anie raha sendra ilaozanao
    Dia zava-poana feno fahotana,
    Avia re, ry Mpankahery anay.

  6. Diovy re ny fo izay feno ota,
    Ka tsofy rano tsy ho karankaina,
    Avia re, sitrano ny fonay.

  7. Lefaho re ny olona maditra,
    Ny matimaty ovao ho maimay,
    Avia re, Mpanitsy dia anay.

  8. Ireny fanomezanao fito
    Omeo anay vahoaka mino Anao,
    Avia re, matoky Anao izahay.

  9. Omeo anay ny hatsaram-panahy,
    Ny famonjena nony miala ety,
    Omeo anay ny hasambaranao.

Evanjely

Aleloia, aleloia.

Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana.

Aleloia.

Evanjely masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 26-27 ; 16, 12-15)

Ny Fanahy Fahamarinana no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Rehefa tonga ny Mpanafaka alahelo,
Izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray,
dia Izy no hanambara Ahy.
Ary ianareo koa hanambara,
satria teo amiko hatramin’ny voalohany ianareo...
Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho,
nefa tsy zakanareo ankehitriny;
fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana,
dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra,
satria tsy hiteny ho Azy Izy,
fa izay rehetra ho reny no holazainy,
ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo.
Hanome voninahitra Ahy Izy,
satria handray ny avy amiko,
ka hanambara izany aminareo.
Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko;
ka izany no nanaovako hoe:
Handray ny avy amiko Izy, ka hanambara izany aminareo.
Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita Ahy intsony ianareo;
ary rehefa afaka kelikely indray dia hahita Ahy ianareo,
satria mankany amin’ny Ray Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...