Vakiteny voalohany
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 25, 13-21)
I Jesoa efa maty, nefa lazain’i Paoly hoe velona.
Tamin’izany andro izany,
tonga tany Sezarea i Agripà mpanjaka sy i Berenisy, hiarahaba an’i Festosa.
Naharitra andro maromaro no nitoerany tao,
ka nambaran’i Festosa tamin’ny mpanjaka ny amin’i Paoly. Hoy izy:
“Misy mpifatotra anankiray navelan’i Feliksa eto.
Fony aho tany Jerosalema,
dia nampangain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholon’ny Jody tamiko izy io,
sady nangatahiny hohelohina.
Fa hoy ny navaliko azy ireo:
Tsy fanaon’ny Rômanina ny manameloka olona
raha tsy efa nifanatrika tamin’ny mpiampanga azy ny ampangaina,
ka nahazo nanala tsiny ny tenany amin’izay iampangana azy.
Dia tonga taty izy ireo, ka tsy nangataka andro akory aho,
fa ny ampitso ihany dia nipetraka teo amin’ny fitsarana sy nampaka ilay lehilahy.
Nony nitsangana ry zareo mpiampanga,
dia tsy heloka araka izay nampoiziko no nitoriany azy,
fa ady hevitra momba ny fivavahany sy momba an’i Jesoa anankiray efa maty,
nefa lazain’i Paoly hoe velona.
Tsy hitako be ihany izay hamotorana izany zavatra izany,
ka nanontany an-dralehilahy aho sao tiany ny hotsaraina any Jerosalema ny amin’izany.
Dia nangataka hotsarain’ny amperora i Paoly,
ka nasaiko nambenana mandra-pandefako azy any amin’i Sezara.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 102, 1-2. 11-12. 19-20ab
Naorin’ny Tompo any an-danitra ny fiketrahany.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko.
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy.
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany,
no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.
Tahaka ny ifanalaviran’ny atsinanana sy andrefana,
no analavirany amintsika ny hadisoantsika,
Naoriny any an-danitra ny fiketrahany;
mifehy an’izao rehetra izao ny Fanjakany!
Misaora ny Tompo, ianareo Anjeliny,
izay feno hery hankatò ny didiny.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 15-19)
Fahano ny zanak’ondriko; fahano ny reniondriko.
Tamin’izany andro izany,
nony avy nisakafo niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa,
dia nanao tamin’i Simôna Piera hoe:
“Ry Simôna zanak’i Joany,
moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?”
Ka hoy ny navaliny Azy:
“Eny, Tompoko,
fantatrao fa tiako Ianao.”
Dia hoy Izy taminy:
“Fahano ny zanak’ondriko.”
Ary hoy indray Izy taminy fanindroany:
“Ry Simôna zanak’i Joany,
moa tia Ahy va ianao?”
Ka hoy ny navaliny Azy:
“Eny, Tompoko,
fantatrao fa tiako Ianao.”
Dia hoy Izy taminy:
“Fahano ny zanak’ondriko.”
Ary hoy indray Izy taminy fanintelony:
“Ry Simôna zanak’i Joany,
moa tia Ahy va ianao?”
Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao?
ka hoy izy taminy:
“Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko,
ka fantatrao fa tiako Ianao.”
Dia hoy Izy taminy:
“Fahano àry ny reniondriko.
Lazaiko marina dia marina aminao:
Fony mbola tanora ianao dia nahasikin-tena,
sy nandeha tamin’izay tianao haleha;
fa rahefa antitra kosa ianao,
dia hiraviravy ny tananao,
ka olon-kafa no hanasikina anao,
sy hitondra anao amin’izay tsy tianao.”
Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana
hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra.
Ary rahefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe:
“Manaraha Ahy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.