Vakiteny voalohany
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 20, 17-27)
Tanterahiko ny diako ka vitaiko ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo.
Tamin’izany andro izany, raha mbola tany Mileto i Paoly,
dia naniraka hankany Efezy, nampaka an’ireo Pretran’ny Fiangonana.
Ka nony tafavory teo aminy izy ireo, dia hoy izy taminy:
“Fantatrareo hatramin’ny andro voalohany nahatongavako teto Azia
izay toetry ny fitondran-tenako taminareo hatrany hatrany;
fa nanompo ny Tompo tamim-panetren-tena lehibe sy tamin-dranomaso aho,
ary tamim-piaretana ny fahoriana noho ny nikendren’ny Jody ahy.
Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo,
fa notorìko taminareo sy nampianariko anareo ampahibemaso sy isan-trano.
Nambarako tamin’ny Jody sy tamin’ny Jentily ny fanatonana an’Andriamanitra
amin’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Tompontsika.
Ary ankehitriny, indro teren’ny Fanahy hankany Jerosalema aho;
nefa tsy fantatra izay hanjo ahy any.
Izao ihany no ambaran’ny Fanahy Masina amiko:
Isan-tanàna alehako, dia misy famatorana sy fanenjehana miandry ahy.
Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany;
ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rahefa tanteraka ny diako,
ka vitako ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo,
dia ny mitory ny Evanjelin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Eny iky, ry olona nalehako nitoriako ny fanjakan’Andriamanitra!
fantatro fa tsy hahita ny tarehiko intsony ianareo rehetra.
Koa izany no ilazako aminareo anie, fa afa-tsiny amin’ny ranareo rehetra aho,
satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo
ny sitra-pon’Andriamanitra rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 67, 10-11. 20-21
Ry mpanjakan’ny tany, antsao ny Tompo.
Orana izaitratra no nabosasakao:
ka velombelona terý ny lovanao efa trotraka.
Ny fiantranao ny ory, ry Andriamanitra,
manomana fonenana ho an’ny ondrinao.
Isaorana ny Tompo isan’andro isan’andro;
ilay Andriamanitra Mpamonjy mitrotro antsika,
Andriamanitra mahavonjy, Andriamanitsika;
Tompo mahala amin’ny fahafatesana.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Mangataka amin’ny Ray Aho, hoy ny Tompo, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, izay ho eo aminareo mandrakariva.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 1-11)
Raiko ô, omeo voninahitra ny Zanakao.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niandrandra ny lanitra ka nivavaka nanao hoe:
“Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao,
mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao,
fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy,
mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.
Ary izao no fiainana mandrakizay,
dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.
Nanome voninahitra Anao Aho tety ambonin’ny tany,
fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko.
Ary ankehitriny kosa dia Anao, Raiko ô,
ny manome voninahitra Ahy eo aminao,
dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao.
Nitory ny Anaranao tamin’ny olona nomenao Ahy eo amin’izao tontolo izao Aho;
Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy.
Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy;
satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny;
dia fantany marina fa avy aminao Aho,
ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy.
Mangataka ho azy ireo Aho.
Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho,
fa ho an’izay nomenao Ahy, satria Anao izy ireo (fa Anao izay Ahy rehetra),
ary nahazo voninahitra amin’izy ireo Aho.
Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho,
izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao,
fa Izaho kosa ho any aminao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.