Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 15, 7-21)

Izao no hevitro: tsy mety ny manome fahasahiranana ny Jentily izay manatona an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
rahefa niady hevitra mafy naharitra ela ny amin’ny famoràna ny Apôstôly sy ny loholona,
dia nitsangana i Piera ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Ry rahalahy,
fantatrareo fa efa ela izay no nifidianan’Andriamanitra ahy teto aminareo
mba handrenesan’ny Jentily amin’ny vavako ny tenin’ny Evanjely sy hinoany.
Ary Andriamanitra izay mahalala ny fo,
dia naneho ny fankasitrahany azy ireo
tamin’ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;
nataony tsy nisy hafa isika sy izy,
fa nodioviny tamin’ny finoana ny fony.
Ka nahoana àry no maka fanahy an’Andriamanitra ianareo izao,
ka manisy jioga amin’ny vozon’ny mpianatra,
nefa samy tsy nahazaka izany na isika na ny razantsika?
Fa noho ny fahasoavan’i Jesoa Tompo ihany no inoantsika hahazoana famonjena,
tahaka ny azy ireo ihany koa.”

Dia nangina ny olona rehetra, ka nihaino an’i Barnabe sy i Paoly
nitantara ny famantarana amam-pahagagana betsaka nampanaovin’Andriamanitra azy
tany amin’ny Jentily.
Nony nitsahatra ny tenin’izy roa lahy,
dia namaly i Jakôba nanao hoe:

“Ry rahalahy, henoy aho.
Ny amin’ny namangian’Andriamanitra ny Jentily aloha,
mba hangalany vahoaka hanaja ny Anarany amin’izy ireo,
dia efa voatantaran’i Simôna.
Ary mifanaraka amin’izany koa ny tenin’ny mpaminany,
araka ny voasoratra hoe:
Rahefa afaka izany, dia hiverina Aho,
ka haoriko indray ny tranon’i Davida izay efa nianjera;
hamboariko izay rava, dia hatsangako indray izy,
mba hitady ny Tompo ny olona sisa mbamin’ny jentily rehetra
izay niantsoana ny Anarako, hoy ny Tompo,
izay manatanteraka izany zavatra fantatra hatraiza hatraiza izany.
Koa amin’izany, izao no hevitro:
tsy mety ny manome fahasahiranana ny Jentily izay manatona an’Andriamanitra,
fa aoka hampitondrana taratasy izy ireo
mba hifady ny hena natolotra tamin’ny sampy, sy ny fijangajangana,
ary ny biby nokendaina, mbamin’ny ra.
Fa hatramin’ny taranaka mifanesy hatra ny ela
dia manana izay mitory azy isan-tanàna rehetra i Môizy,
satria vakìna ao amin’ny sinagôga isan-tsabata ny teniny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 95, 1-2a. 2b-3. 10

Ambarao ny vahoaka rehetra ny Asany mahagaga.

Ikaloy ’reo hira vaovao e
ho an’ny Tomponao, ry manana aina.
Ny fisaorana aoka hanakoako e!
Isan’andro vaky, dia torio e,
’tony vonjy nentiny lazao e
mba handre daholo ny eran-tany e!

Fa ny Tompo ihany no ambony.
Mahatahotra Izy noho ny hafa,
ka variana erý ny firenena!
He! ny Tompo irery no Mpanjaka.
’Tony tany vitany mijoro.
’Zany rariny entiny mitsara!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-11)

Mitomoera amin’ny fitiavako dia ho lavorary ny fifalianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa,
ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo.
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako,
tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.
Izaho no milaza izany aminareo,
dia mba ho ao aminareo ny fifaliako,
ary mba ho lavorary ny fifalianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...