Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 8, 26-40)

Raha mino amin’ny fonao manontoto ianao dia azo atao Batemy.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy Anjelin’ny Tompo niteny tamin’i Filipo nanao hoe:

“Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo
any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gazà,
izay tanàna foana.”

Dia nitsangana izy ka nandeha.
Ary indro nisy lehilahy anankiray avy any Etiôpia,
olombositra sy manamboninahitra lehibe
tao amin’ny Kandasy mpanjakavavin’i Etiôpia,
sady mpitandrina ny fananany rehetra,
tonga tany Jerosalema mba hivavaka.
Nony niverina izy,
ka nipetraka teo ambonin’ny kalesiny,
dia namaky ny bokin’i Izaia mpaminany.
Ary hoy ny Fanahy Masina tamin’i Filipo:

“Mandehana manatona io kalesy io.”

Dia nihazakazaka i Filipo
ka nandre ilay olona namaky ny bokin’i Izaia mpaminany,
ary nanao taminy hoe:

“Moa fantatrao tsara va izay vakìnao?”

Ka hoy izy:

“Hataoko ahoana no fahalala izany
raha tsy misy olona mitari-dalana ahy?”

Dia nangataka an’i Filipo hiakatra ho eo aminy izy.

Ary izao no novakìny tao amin’ny Soratra Masina:
Nentina hovonoina mova tsy ny ondry Izy,
ary tsy niloa-bava toy ny zanak’ondry moana
eo anatrehan’ny mpanety azy.
Fitsarana miangatra erý no nanesorana Azy,
ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra
fa nongotana tamin’ny tanin’ny velona Izy?

Dia niteny tamin’i Filipo ilay olona nanao hoe:

“Masìna ianao,
iza no antsoin’ny mpaminany amin’izany?
ny tenany ve sa olon-kafa?”

Ary i Filipo niloa-bava,
nanomboka tamin’ireo tenin’ny Soratra Masina ireo,
ka nitory an’i Jesoa taminy.

Nony nandeha kelikely izy ireo, dia sendra rano,
ka hoy ilay manamboninahitra:

“Indro eo rano,
ka inona no misakana ahy tsy hatao Batemy?”

Dia hoy i Filipo:

“Raha mino amin’ny fonao rehetra ianao,
dia azo atao ihany izany.”

Ary namaly izy nanao hoe:

“Mino aho
fa i Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra.”

Dia nasainy najanona ny kalesy,
ary niara-nidina nankeo anaty rano izy sy i Filipo,
ka nanao Batemy azy i Filipo.
Nony niakatra avy teo amin’ny rano izy ireo
nentin’ny Fanahin’ny Tompo i Filipo,
ka tsy hitany intsony,
fa nizotra ny lalany an-kafaliana izy.
Fa i Filipo kosa tonga tany Azôta,
ary nitory ny Evanjely tamin’ny tanàna rehetra nandalovany
mandra-pahatongany tany Sezarea.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 65, 8-9. 16-17. 20

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo.

Misaora an’Andriamanitra, rey vahoaka.
Redony ny feo fiderana Azy!
Fa ny fanahinay novelominy;
ny tongotray tsy navelany ho solafaka!

Tongava avokoa izay matahotra an’Andriamanitra!
Mihainoa hitantarako izay nataony tamiko:
dia Izy ilay fiantson’ny vavako
sy fideran’ny lelako.

Hisaorana anie
Andriamanitra,
izay tsy nanala tamiko,
ny hatsaram-pony.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 44-52)

Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny vahoaka hoe:

“Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory
raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy,
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe:
Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra.
Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray
ka nianatra taminy no manatona Ahy.
Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory:
fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay.
Izaho no mofon’aina.
Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra,
nefa maty ihany;
tsy toy izany ny mofo nidina avy any an-danitra,
fa tsy ho faty izay mihinana azy.
Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity mofo ity
dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko
ho fiainan’izao tontolo izao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...