Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 6, 1-7)

Dia nifidy fito lahy feno ny Fanahy Marina izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
rahefa nitombo ny isan’ny mpianatra,
dia nimonjomonjo tamin’ny Hebrio ny Helenista,
satria tsy mba nahìna loatra tamin’ny fizaràna ny fiantrana isan’andro
ny mpitondratena tao aminy.
Ka novorìn’ny roa ambin’ny folo lahy ny mpianatra rehetra nilazany hoe:

“Tsy mety raha ilaozanay mitandrina ny sakafo
ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra.
Koa amin’izany, ry rahalahy,
mifidiana fito lahy eo aminareo,
izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena,
mba hametrahanay izany raharaha izany;
ary izahay kosa hikely aina amin’ny fivavahana sy ny fitorian-teny.”

Nankasitrahin’ny olona rehetra izany teny izany,
ka dia nofidìny i Etiena,
lehilahy feno finoana sy Fanahy Masina,
i Filipo, i Prôkôra, i Nikanôra, i Timôna, i Parmenasy,
ary i Nikôlà, prôzelita avy any Antiôkia.
Narosony teo anatrehan’ny Apôstôly izy ireo,
ka nametrahany tanana nony efa vita ny fivavahana.
Dia niely ny tenin’Andriamanitra,
nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema,
ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 32, 1-2. 4-5. 18-19

Homba anay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny itokianay Anao.

Hobio ny Tompo, ry olo-marina:
dia Ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy!
Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo.

Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo;
ara-drariny ny asany rehetra;
ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany;
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany!

Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra, ary niantra ny zanak’olombelona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 16-21)

Nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina izy ireo.

Nony hariva ny andro,
taorian’ny fampitomboana ny mofo,
dia nidina nankeny amoron-dranomasina ny mpianatr’i Jesoa,
ka niondrana tamin’ny sambo kely
ary nita ny ranomasina ho any Kafarnaôma.
Efa alina ny andro tamin’izay,
nefa tsy mbola tonga teo aminy i Jesoa,
ary nanonja ny ranomasina,
fa nifofofofo mafy ny rivotra.
Rahefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stady izy ireo,
dia nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina
sy nanatona ny sambo kely, ka natahotra.
Fa hoy Izy taminy:

“Izaho ihany fa aza matahotra.”

Dia naniry handray Azy ho eo an-tsambo kely izy ireo,
ka niaraka tamin’izay dia tafatody tamin’ny tany nokasainy haleha ny sambo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...